Jeremiah 36:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Jeramela, zanak’andriana, sy i Seraia, zanak’i Azriela, ary i Selemia, zanak’i Abdela, hisambotra an’i Baroka mpanoratra sy i Jeremia mpaminany. Nefa nafenin’NY TOMPO izy roa lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Jeramela, zanak’andriana, sy i Seraia, zanak’i Azriela, ary i Selemia, zanak’i Abdela, hisambotra an’i Baroka mpanoratra sy i Jeremia mpaminany. Nefa nafenin’NY TOMPO izy roa lahy.
malagasy