Jeremiah 36:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao dia efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka niteny hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ny biby eto?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary lazao amin’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao nandoro iny horonan-taratasy iny, sady nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny fa hoe ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity, ary hataony tsy hisy olona na biby intsony eto?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao dia efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka niteny hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ny biby eto?
malagasy