Jeremiah 36:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ny hainandro amin’ny antoandro ary ho azon’ny fanala amin’ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà: Tsy hisy amin’ny fianakaviany na iray aza hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, sady hatsipy any ivelany ny fatiny hasian’ny hainandro, amin’ny antoandro, sy ny hatsiaka amin’ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazaiko ny amin’i Jôiakima mpanjakan’i Joda: Tsy hanana zanakalahy hanjaka handimby azy eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida i Jôiakima; ary hariana ny fatiny ka hianjadian’ny hafanana amin’ny antoandro sy ny hatsiaka amin’ny alina.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ny hainandro amin’ny antoandro ary ho azon’ny fanala amin’ny alina.
malagasy