Jeremiah 36:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hampijaliako noho ny helony izy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony; hataoko mihatra aminy sy amin’ny mponina any Jerosalema ary amin’ny lehilahy amin’ny Joda ny loza rehetra izay efa nolazaiko hatao aminy, nefa tsy nohenoiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hafotitro hamely azy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony rehetra, ny helony; ary hataoko mihatra aminy, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, ary amin’ny olona amin’i Jodà, ny loza rehetra nolazaiko taminy, fa tsy nohenoiny Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »
Malagasy Bible 1865
Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hampijaliako noho ny helony izy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony; hataoko mihatra aminy sy amin’ny mponina any Jerosalema ary amin’ny lehilahy amin’ny Joda ny loza rehetra izay efa nolazaiko hatao aminy, nefa tsy nohenoiny.
malagasy
Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.