Jeremiah 36:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa ka natolony an’i Baroka mpitantsoratra, zanak’i Neria, ary nosoratany tao, avy tamin’ny vavan’i Jeremia, ny teny rehetra izay tao amin’ilay horonan-taratasy nodoran’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny afo; sady nampiany teny maro mitovitovy amin’ireny koa aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa ka natolony an’i Baroka mpitantsoratra, zanak’i Neria, ary nosoratany tao, avy tamin’ny vavan’i Jeremia, ny teny rehetra izay tao amin’ilay horonan-taratasy nodoran’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny afo; sady nampiany teny maro mitovitovy amin’ireny koa aza.
malagasy