Jeremiah 36:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa mandehana ianao ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’NY TOMPO, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka mandehana àry ianao, ary vakio ao amin’ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin’i Iaveh mba ho ren’ny vahoaka ao an-tranon’i Iaveh amin’ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren’izay rehetra an’i Jodà izay tonga avy any an-tanànany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianao kosa, mankanesa ao amin’ny andron’ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren’ny olona ao amin’ny tempoly mbamin’izay rehetra tonga avy amin’ireo tanànan’i Joda izany.
Malagasy Bible 1865
fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa mandehana ianao ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’NY TOMPO, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa.
malagasy