Jeremiah 36:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa angamba hoborahina eo anatrehan’NY TOMPO ny fifonany, dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ity firenena ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angamba ho tonga eo anatrehan’i Iaveh ny fifonany, ary hiova hiala amin’ny lalan-dratsiny avy izy; fa lehibe ny hatezerana amam-pahavinirana nolazain’i Iaveh hahatra amin’ity vahoaka ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»
Malagasy Bible 1865
Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa angamba hoborahina eo anatrehan’NY TOMPO ny fifonany, dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ity firenena ity.
malagasy
Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka]