Jeremiah 36:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Baroka, zanak’i Neria, dia nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’NY TOMPO tamin’ny taratasy teo amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Baròka zanak’i Nerià avokoa, izay nandidian’i Jeremia mpaminany azy; novakiny tao an-tranon’i Iaveh, tao amin’ny horonan-taratasy ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nataon’i Baròka izay rehetra nandidian’i Jeremià mpaminany azy, ka nankao an-tranon’ny TOMPO izy ary namaky mafy ny hafatry ny TOMPO voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy.
Malagasy Bible 1865
Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Baroka, zanak’i Neria, dia nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’NY TOMPO tamin’ny taratasy teo amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.