Jeremiah 36:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia nisy fiantsoana fifadian-kanina teo anatrehan’NY TOMPO ho an’ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ny tanànan’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan’i Israely hataon’ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin’ny tanànan’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakàn’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no nisehoan’izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan’ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin’ireo tanànan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia nisy fiantsoana fifadian-kanina teo anatrehan’NY TOMPO ho an’ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ny tanànan’ny Joda.
malagasy