Jeremiah 37:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, no nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nampanjaka an’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià tao Joda mba hisolo an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima.
Malagasy Bible 1865
Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, no nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy;
malagasy
[Ny nangatahan'i Zedekia an'i Jeremia hivavaka ho azy, sy ny teny navalin'i Jeremia azy, ary ny nanaovana an'i Jeremia tao an-tranomaizina] Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;