Jeremiah 37:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na dia mamely ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo ka izay voalefona no ho sisa velona dia samy hitsangana avy ao anaty tranolainy ireo ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia horesenareo aza ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay miady aminareo, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary na dia ho resinareo aza ny tafika babilônianina manontolo izay miady aminareo, ka tsy misy tavela afa-tsy olona maratra, dia mbola hitsangana tsirairay avy ao an-dainy ireny ka ho avy handoro ity tanàna ity amin’ny afo.› »
Malagasy Bible 1865
Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na dia mamely ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo ka izay voalefona no ho sisa velona dia samy hitsangana avy ao anaty tranolainy ireo ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.
malagasy