Jeremiah 37:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo am-bavahadin’i Benjamina izy dia indro, ny lehiben’ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’i Selemia, zanak’i Hanania, no teo; dia nisambotra an’i Jeremia mpaminany izy ka niteny hoe: Miray tetika amin’ny Kaldeana ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony mby eo am-bavahadin’i Benjamina izy, indro ny kapitenin’ny mpiambina, atao hoe Jeriasa zanak’i Selemiasa, zanak’i Hananiasa, nisambotra an’i Jeremia mpaminany, nanao hoe: «Miandany amin’ny Kaldeanina ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo raha vao nandalo teo am-bavahadin’i Benjamîna izy, dia nifanehatra tamin’ny lehiben’ny mpiambina atao hoe Jirià, zanakalahin’i Selemià sady zafikelin’i Hananià. Ary nosamborin’i Jirià i Jeremià mpaminany ka nataony hoe: –Miandany amin’ny Babilônianina ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo am-bavahadin’i Benjamina izy dia indro, ny lehiben’ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’i Selemia, zanak’i Hanania, no teo; dia nisambotra an’i Jeremia mpaminany izy ka niteny hoe: Miray tetika amin’ny Kaldeana ianao.
malagasy