Jeremiah 37:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa trara antitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! Miankohoka eto anatrehanao aho, raiso ny fiangaviako ka aza averina ho ao amin’ny tranon’i Jonatana mpitantsoratra aho, fandrao dia maty ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
koa ankehitriny, masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon’i Jonatàna mpanoratra aho, ho faty any.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampian’i Jeremià hoe: –Ankehitriny, ry andriamanjaka, miangavy anao aho mba hihaino ny fangatahana ataoko eo anatrehanao: Aza averina any an-tranon’i Jônatàna mpitantsora-panjakana intsony aho, fandrao maty ao.
Malagasy Bible 1865
Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa trara antitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! Miankohoka eto anatrehanao aho, raiso ny fiangaviako ka aza averina ho ao amin’ny tranon’i Jonatana mpitantsoratra aho, fandrao dia maty ao.
malagasy
Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.