Jeremiah 37:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nasain’i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana i Jeremia ka nasainy nomena mofo iray isanandro avy any amin’ny fitoeran’ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanome teny i Sedesiasa mpanjaka, hitana an’i Jeremia ao an-kianjan’ny tranomaizina sy hanome azy mofo iray lehibe isan’andro avy any amin’ny araben’ny Mpanao mofo, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Izany no nitoeran’i Jeremia tao amin’ny kianjan’ny tranomaizina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanome baiko i Tsedekià mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià sady homena mofo boribory iray isan’andro avy ao amin’ny lalankelin’ny Mpanao mofo mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Toy izany no nijanonan’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana.
Malagasy Bible 1865
Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nasain’i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana i Jeremia ka nasainy nomena mofo iray isanandro avy any amin’ny fitoeran’ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.
malagasy