Jeremiah 37:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Zedekia mpanjaka dia naniraka an’i Jehokala, zanak’i Selemia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’i Jeremia mpaminany hiteny hoe: Mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Tsedekià mpanjaka kosa dia naniraka an’i Jokaly, zanakalahin’i Selemià ary koa i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ho any amin’i Jeremià mpaminany ihany hanao aminy hoe: –Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin’ny TOMPO Andriamanitsika.
Malagasy Bible 1865
Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.