Jeremiah 38:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’i Ebeda-Meleka kosita ny mpanjaka hoe: Mitondrà telopolo lahy hiaraka aminao hampakatra an’i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanome teny an’i Abdemeleka etiôpianina ny mpanjaka nanao hoe: «Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanome baiko an’i Hebeda-Melèka etiôpianina ny mpanjaka hoe: –Mitondrà telopolo lahy avy eto hiaraka aminao, ka ampiakaro hiala tao an-dava-drano i Jeremià dieny mbola tsy maty.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’i Ebeda-Meleka kosita ny mpanjaka hoe: Mitondrà telopolo lahy hiaraka aminao hampakatra an’i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
malagasy
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.