Jeremiah 38:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy i Abdemeleka, dia niditra tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ao ambanin’ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin’ny tady izany ho ao amin’i Jeremia ao an-davaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Melèka, ka nankao an-dapan’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin’i Jeremià tao an-dava-drano tamin’ny tady mahazaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia.
malagasy