Jeremiah 38:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandefa iraka haka an’i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ny fidirana fahatelo, izay ao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Zedekia mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho ka aza anafenana na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia naniraka haka an’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka mba ho ao aminy, ao amin’ny fidirana fahatelo, amin’ny tranon’i Iaveh. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: «Misy zavatra hanontaniako anao, ka aza anafenana aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naniraka olona haka an’i Jeremià i Tsedekià mpanjaka ka nandray azy manokana teo amin’ny fidirana fahatelo mankao an-tranon’ny TOMPO, sady nanao taminy hoe: –Hanontany zavatra aminao aho, ka aza misy afenina amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandefa iraka haka an’i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ny fidirana fahatelo, izay ao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Zedekia mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho ka aza anafenana na inona na inona.
malagasy