Jeremiah 38:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Zedekia mpanjaka dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nanome aina antsika toy izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tanan’ireto olona mitady ny ainao ireto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.
Malagasy Bible 1865
Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Zedekia mpanjaka dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nanome aina antsika toy izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tanan’ireto olona mitady ny ainao ireto.
malagasy