Jeremiah 38:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Izay mitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; ny ainy no ho babony fa ho velona ihany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny TOMPO: Izay mijanona eto amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanàna mba hitolo-batana amin’ny Babilônianina kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Izay mitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; ny ainy no ho babony fa ho velona ihany izy.
malagasy