Jeremiah 38:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia hoentina mivoaka ho any amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona, ary ireo vehivavy ireo dia hiteny hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; ary rehefa latsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao dia nilaozany nihemotra ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa ny vehivavy sisa rehetra amin’ny ankohonan’ny mpanjakan’i Jodà, hoentina ao amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao aminao hoe: Sodòkan’ny sakaizanao ianao, ka resiny; nihitsoka anaty fotaka ny tongotrao dia nidify kosa izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vehivavy rehetra izay tafajanona ao an-dapan’ny mpanjaka dia hoentina eo amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao izao hira izao ny aminao hoe: Nangolen’ireo sakaiza tianao ianao ka roboka! Fa nony tafalatsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nandositra ianao!
Malagasy Bible 1865
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia hoentina mivoaka ho any amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona, ary ireo vehivavy ireo dia hiteny hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; ary rehefa latsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao dia nilaozany nihemotra ianao.
malagasy