Jeremiah 38:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nankany amin’i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo satria tsy nisy re ny raharaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tao amin’i Jeremia tokoa ny mpanapaka rehetra, ka nanontany azy, ka novaliany araka ireo teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy indrindra, ka dia navelany tsy nosahiraniny izy; satria tsy nisy re ny resaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga tany amin’i Jeremià tokoa ireo manamboninahitra ambony ka nanontany azy, saingy novalian’i Jeremià araka izay teny rehetra efa nandidian’ny mpanjaka azy. Dia nangina ireo satria tsy nisy nandre ny resaka nifanaovany.
Malagasy Bible 1865
Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nankany amin’i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo satria tsy nisy re ny raharaha.
malagasy
Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.