Jeremiah 38:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanapaka tamin’ny mpanjaka: Trara antitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity, fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ity tanàna ity mbamin’ny olona rehetra izy, noho ny nitenenany taminy araka izany teny teo izany; fa ity lehilahy ity dia tsy mba mitady izay hiadanan’ity firenena ity fa izay hahatonga loza aminy kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nandre izany ireo manamboninahitra ireo, dia niteny tamin’i Tsedekià mpanjaka hoe: –Takînay ny hamonoana ho faty an’i Jeremià, satria manakivy tanteraka ny miaramila sy ny mponina sisa ao an-tanàna izy. Tsy mba mitady izay hahatsara ny vahoaka io lehilahy io fa ny hanampy trotraka ihany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanapaka tamin’ny mpanjaka: Trara antitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity, fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ity tanàna ity mbamin’ny olona rehetra izy, noho ny nitenenany taminy araka izany teny teo izany; fa ity lehilahy ity dia tsy mba mitady izay hiadanan’ity firenena ity fa izay hahatonga loza aminy kosa.
malagasy