Jeremiah 38:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka an’i Jeremia izy ireo ka nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanaky ny mpanjaka, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ny tady mahazaka i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin’ny lavaka fa fotaka fotsiny ihany ka nilentika tao amin’ny fotaka i Jeremia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia noraisin’izy ireo i Jeremia, ka nampidininy tao an-davak’i Melkiasa zanak’andriana, ao an-kianjan’ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an’i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka i Jeremia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.
Malagasy Bible 1865
Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka an’i Jeremia izy ireo ka nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanaky ny mpanjaka, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ny tady mahazaka i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin’ny lavaka fa fotaka fotsiny ihany ka nilentika tao amin’ny fotaka i Jeremia.
malagasy