Jeremiah 38:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Ebeda-Meleka kosita, tandapa iray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nandre ny nandatsahan’ireo an’i Jeremia tao amin’ny lava-drano. Tamin’iny ny mpanjaka dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Abdemeleka etiôpianina eonòka tao an-tranon’ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka i Jeremia; nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamina ny mpanjaka tamin’izay;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ren’ilay Etiôpianina atao hoe Hebeda-Melèka izay lehilahy nahatoky tao an-dapan’ny mpanjaka fa natsipy tao an-dava-drano i Jeremià. Ny mpanjaka kosa tamin’izay dia nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamîna;
Malagasy Bible 1865
Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Ebeda-Meleka kosita, tandapa iray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nandre ny nandatsahan’ireo an’i Jeremia tao amin’ny lava-drano. Tamin’iny ny mpanjaka dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina.
malagasy