Jeremiah 39:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, teo amin’ny tanin’i Jodà, sady nomeny tanimboaloboka aman-tanimboly tamin’izay andro izay izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.
Malagasy Bible 1865
Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany.
malagasy