Jeremiah 39:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nandefa iraka haka an’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ka nanolotra azy an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, mba hoentiny any an-trano; dia niara-nitoetra tamin’ny olona tamin’izay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nampaniraka haka an’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an’i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon’ny vahoaka i Jeremià.
Malagasy Bible 1865
dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.