Jeremiah 39:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana ka lazao amin’i Ebeda-Meleka kosita hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao ireo amin’izany andro izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandehana ianao milaza amin’i Abdemeleka Etiôpianina hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr’izay ihany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mandehàna lazao amin’i Hebeda-Melèka etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro efa nambarako tamin’ny mponin’ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany.
Malagasy Bible 1865
Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana ka lazao amin’i Ebeda-Meleka kosita hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao ireo amin’izany andro izany.
malagasy