Jeremiah 39:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Sarezera, i Samgara-Nebo, i Sara-Sekima, Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, ary Raba-Magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ary naka toerana mafy teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergaly-Seresera mpiambina ny trano firaketana, i Nabo-Sarsakima lehiben’ny eonòka, i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisesika niditra tao an-tanàna ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ary naka toerana teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben’ireo tandapa, ary koa ireo manamboninahitra sisa rehetran’ny Babilôna.
Malagasy Bible 1865
dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Sarezera, i Samgara-Nebo, i Sara-Sekima, Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, ary Raba-Magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona.
malagasy