Jeremiah 39:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nahita ireo i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramilany rehetra, dia nandositra ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita azy ireo i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra sy nivoaka ny tanàna tamin’ny alina, nihazo ny lalan’ny zaridainan’ny mpanjaka, teo amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa izy, dia niditra ny lalana mankany amin’ny tany lemaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nahita izany i Tsedekià mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin’ny alina no niala tao an-tanàna izy, ka namakivaky ny zaridainan’ny mpanjaka, izay nandalo tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nahita ireo i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramilany rehetra, dia nandositra ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy.
malagasy