Jeremiah 39:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanenjika azy anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; ary nony azony izy dia noentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; dia notsarainy tao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina anefa izy ireo, ary tratrany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa. Dia noraisin’izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nanenjika azy ny tafika babilônianina ka nahatratra an’i Tsedekià tao amin’ny lemak’i Jerikao. Dia nisambotra ity mpanjaka izy ary nitondra azy tany amin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, tanin’i Hamata, tamin’izany fotoana izany. Tao no namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana hamelezana an’i Tsedekià.
Malagasy Bible 1865
Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanenjika azy anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; ary nony azony izy dia noentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; dia notsarainy tao izy.
malagasy