Jeremiah 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia holazaina amin’ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-tany efitra hankany amin’ny oloko, zanako vavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, dia hilazana ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe: Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra, eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, ka tsy hikororohana na hanadiovana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hiteny amin’ity vahoaka ity sy amin’ny mponin’i Jerosalema ny Tompo hoe: «Ny rivotra mahamay eny an-tendrombohitra no tonga avy any an-taniefitra mankany amin’ny vahoakako; tsy rivotra malefaka hikororoham-bary
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia holazaina amin’ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-tany efitra hankany amin’ny oloko, zanako vavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
malagasy
Amin'izany andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.[Na: Ny lalàn'ny oloko zanakavavy dia rivotra mahamay, etc]