Jeremiah 4:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izany dia rivotra mahery izay nirahiko avy amin’ireny, ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
rivotra mahery noho ny mahapaoka mololo no tonga mankamiko. Ary amin’izao dia izaho kosa indray no hamoaka ny teny fitsarana momba azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa rivotra mahery izay nirahiko avy any, ka hanambaràko ankehitriny ny didim-pitsarana hamelezako azy.»
Malagasy Bible 1865
Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izany dia rivotra mahery izay nirahiko avy amin’ireny, ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho.
malagasy
Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.[Na: Dia ho tonga etỳ amiko ny rivotra mahery izay avy amin'ireny]