Jeremiah 4:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.
Malagasy Bible 1865
Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.
malagasy
Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.[Heb. Endrey ny rindrin'ny foko!]