Jeremiah 4:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia mandositra avokoa ny tanàna rehetra; mitsofoka any anatin’ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; lao avokoa ny tanàna rehetra ka tsy misy mponina intsony ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao re ny feon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka, dia vaky nandositra avokoa ny tanàna; mitsofoka any anaty ala, mananika ny vatolampy ny olona. Nilaozany avokoa ny tanàna, tsy misy mponina intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny fihorakorak’ireo mpitaingin-tsoavaly sy ireo mpitifitra amin’ny tsipîka, dia vaky nandositra ny tao an-tanàna rehetra: ka nitsofoka anaty kirihitr’ala na nianika ny harambato. Nilaozana avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy nisy mponina intsony.
Malagasy Bible 1865
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia mandositra avokoa ny tanàna rehetra; mitsofoka any anatin’ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; lao avokoa ny tanàna rehetra ka tsy misy mponina intsony ao.
malagasy
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.[Heb. rahona]