Jeremiah 4:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny olon’ny Joda sy Jerosalema: Miasà tany vao ho anareo ianareo fa aza mamafy amin’ny tsilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny olona ao Jodà sy Jerosalema: Asao ny tany vaonareo, ary aza mamafy amin’ny tsilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema: Miasà tanimboly vaovao ianareo, fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin'ny tsilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny olon’ny Joda sy Jerosalema: Miasà tany vao ho anareo ianareo fa aza mamafy amin’ny tsilo.
malagasy
[Ny hanjo ny Joda sy Jerosalema, raha tsy mibebaka izy] Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin'ny tsilo. [Na: Miasà tany vaovao ho anareo]