Jeremiah 4:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanao inona ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, dia foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; hanifika anao ireo lehilahy tia anao ka ny ainao aza dia hotadiaviny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inona indray no hataonao, ry ilay noravana? Na dia hiakanjo jaky aza ianao, ka hiravaka haingo volamena sy hitentina ny manodidina ny masonao, dia foana ny fanaovanao izay hahatsara tarehy anao; fa manamavo anao ireo lehilahinao, ny ainao no tadiaviny halàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema? Na miakanjo marevaka aza ianao sy miravaka volamena sady manao manja maso, dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao. Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao, sady tadiaviny hovonoina ho faty.
Malagasy Bible 1865
Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanao inona ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, dia foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; hanifika anao ireo lehilahy tia anao ka ny ainao aza dia hotadiaviny.
malagasy
Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona.