Jeremiah 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ambaraonareo ao amin’ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka lazao hoe: Tsofy ao amin’ny tany ny anjomara! Miantsoantsoa mafy ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra amin’ny tanàna mimanda!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema, lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany, ary manaova antso avo, ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ataovy ny fanairana an’i Joda ary ampandreneso ny ao Jerosalema Tsofy ao amin’io tany io ny anjomara, ka miantsoantsoa mafy hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra ao amin’ny tanànamimanda.
Malagasy Bible 1865
Ambaraonareo ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin'ny tanàna mimanda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ambaraonareo ao amin’ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka lazao hoe: Tsofy ao amin’ny tany ny anjomara! Miantsoantsoa mafy ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra amin’ny tanàna mimanda!
malagasy