Jeremiah 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.
Malagasy Bible 1865
Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
malagasy
Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.