Jeremiah 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo ka mitomania sy midradradradrà; fa tsy afaka amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany misikìna lamba malailay ianareo; mitomania sy midradradradrà; fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, tsy nihodivitra antsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaova akanjo fisaonana noho izany ka mitomania sy midradradradrà, fa ny TOMPO tsy mbola nampiala tamintsika ny fahatezerany mirehitra.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo ka mitomania sy midradradradrà; fa tsy afaka amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.
malagasy
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.[Heb; lamba malailay]