Jeremiah 40:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià.
Malagasy Bible 1865
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia.
malagasy
[Ny nanafahana an'i Jeremia, sy ny niverenan'ny olona maro hipetraka ao amin'ny tany hotapahin'i Gedalia, ary ny namonoana an'i Gedalia] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.