Jeremiah 40:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Jiosy rehetra koa izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babilona efa namela ny Joda hisy sisa sady nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Jodeanina rehetra izay tany amin’ny tanin’i Moaba ao amin’ny taranak’i Amôna, sy tany Edôma, nony efa nandre tao amin’izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan’i Jodà navelan’ny mpanjakan’i Babilôna, ary i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, no napetrany ho governoran’izy ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin’ny Môabita sy ny Hamônita sy ny Edômita ary tany amin’ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin’ny vahoaka navelan’ny mpanjakan’i Babilôna ao amin’ny fanjakan’i Joda ary nankininy tamin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Jiosy* rehetra koa izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babilona efa namela ny Joda hisy sisa sady nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy.
malagasy
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,