Jeremiah 40:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa; dia nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia tamin’izay ny Jodeanina rehetra no niverina avy any amin’ny tany rehetra nandroahana azy avokoa, ka nankao amin’ny tanin’i Jodà, nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà, ary nanangona divay amam-boankazo be dia be.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin’ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, any amin’ny tanin’i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.
Malagasy Bible 1865
dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa; dia nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be izy ireo.
malagasy