Jeremiah 40:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià.
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama.
malagasy
ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.