Jeremiah 40:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Johanana, zanak’i Karea, dia nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hamono an’Ismaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nino azy anefa i Godoliasa zanak’i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin’i Godoliasa tany Masfà i Johanàna zanak’i Karea nanao hoe: «Aoka àry aho handeha hamono an’i Ismaely zanak’i Nataniasa, hatao tsy fantatr’olona velively. Fa nahoana no hamonoany anao, ka ho tafaely ny Jody rehetra efa tafangona atỳ aminao, ary ho lany ringana ny sisan’i Jodà?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na izany aza dia tonga nihaona mangingina tamin’i Gedalià tao Mitsepà ihany i Jôhanàna ka nanao taminy hoe: –Aoka aho handeha hamely an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià fa tsy hisy olona hahalala akory? Nahoana no havelanao hovonoiny ho faty ny tenanao? Fa raha matiny ianao, dia hiparitaka indray ny Jodeanina rehetra efa tafangona eto aminao; ary izay hany sisa amin’ny fanjakàn’i Joda dia ho levona.
Malagasy Bible 1865
Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Johanana, zanak’i Karea, dia nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hamono an’Ismaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy* rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda?
malagasy
Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.