Jeremiah 40:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO no nahatonga izany ka nanatanteraka araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’NY TOMPO sy ny tsy nihainoanareo ny feony; izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notanterahin’i Iaveh izay efa voalazany, satria nanota tamin’i Iaveh ianareo sy tsy nihaino ny feony, ka dia tonga taminareo izao zavatra izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO no nahatonga izany ka nanatanteraka araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’NY TOMPO sy ny tsy nihainoanareo ny feony; izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
malagasy
Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.