Jeremiah 40:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
malagasy