Jeremiah 40:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy dia hoy i Nebozaradana: Miverena indray any amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, izay voatendrin’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tanànan’ny Joda ka tomoera any aminy miaraka amin’ny olona, na mandehana any amin’izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola nijanonjanona teo, tsy nandeha i Jeremia: «Miverena àry, hoy izy, any amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, izay natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna hanapaka ny tanànan’i Jodà, ka miaraha mitoetra aminy, eo amin’ny vahoaka; na mandehana any amin’izay tianao haleha, na aiza na aiza.» Dia nomen’ity lehiben’ny mpiambina vatsy amam-panomezana izy, vao nalefany handeha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha mbola nihazohazo teo i Jeremià, dia hoy i Nebozaradàna taminy: «Mahazo miverina any amin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna ianao, fa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ireo tanànan’i Joda. Mipetraha miaraka aminy eo anivon’ny vahoaka, ka mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.» Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana i Jeremià, ary navelany handeha.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tanànan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy dia hoy i Nebozaradana: Miverena indray any amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, izay voatendrin’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tanànan’ny Joda ka tomoera any aminy miaraka amin’ny olona, na mandehana any amin’izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
malagasy