Jeremiah 40:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilona dia efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babilona,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra tany ambanivohitra mbamin’ireo olom-peheziny, fa hoe: i Godoliasa zanak’i Ahikama no natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin’ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilôna,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilona dia efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babilona,
malagasy