Jeremiah 40:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ny tany ka manompoa ny mpanjakan’i Babilona, dia hahita soa ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny: «Aza matahotra ny hanompo ny Kaldeanina ianareo; monena amin’ny tany, dia hahita soa ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe: «Aza matahotra hanompo ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ny tany ka manompoa ny mpanjakan’i Babilona, dia hahita soa ianareo.
malagasy